𝗜𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝗻𝗴𝗮𝗱𝘆 𝗦𝗧𝗔𝗥 𝗺𝗲𝗻𝗱𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗻𝗼𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟯 ⭐️

Nisitraka ny fitsidihana ny ozinina STAR tao ambatolampy izy ireo. Fotoana izay nahafahan’ny tsirairay nahita ny toeram-pamokarana labiera sy zava-pisotro misy gaz anisan'ny lehibe indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indianina.

Nisy ny fifampizarana teo amin’ny mpamongady sy ny tompon’andraikitra ka nahafahan’izy ireo nametraka ny fanontaniana sy fanamarihana avy amin’ny mpanjifa ny vokatra STAR.

Ho fanehoana ny fifaliana sy ny fiaraha-miasa vita hatramin’izay, dia nanolotra marim-pakansitrahana sy loka maro ho an’izy ireo ny orinasa STAR.

#star #hotakarintsikanykintana #mpamongadySTAR #DistributeursSTAR #CNMV2024

Partager